Kurt Aland

Kurt Aland

I Kurt Aland dia teôlôjiana prôtestanta alemana, mpampianatra ny famakafaka ny Testamenta Vaovao sy mpampianatra ny tantaran' ny kristianisma. Teraka tamin' ny 28 Marsa 1915 tao Berlin (any Alemaina) ary maty tamin' ny 13 Avrily 1994 tao Münster (any Alemaina) izy. Izy no nanorina ny Institut für neutestamentliche Textforschung (anglisy: Institut for New Testament Textual Research) tao Münster ary izy no tale voalohany tamin' ny 1959 ka hatramin' ny 1983. Anisan' ny mpanonta tonian-dahatsoratra lehibe amin' ny Nestle–Aland – Novum Testamentum Graece tao amin' ny Deutsche Bibelgesellschaft sy ny The Greek New Testament ho an' ny Fikambanana Mampiely Baiboly Maneran-Tany (anglisy: United Bible Societies).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy